Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 13:36 - Baiboly Katolika

dia hozahan’ny mpisorona izy, ka raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny fery kimavo dia tsy ilaina intsony izay hizahan’ny mpisorona raha misy volon-koditra tomamotamo; fa maloto izany olona izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hozahan’ny mpisorona indray izy, koa raha hitany fa niitatra teo amin’ny hoditra ny aretina dia tsy mila mitady volo somary vonivony intsony ny mpisorona. Efa maloto izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia hozahan’ny mpisorona indray izy; ka raha hitany fa nanitatra tokoa ny kimavo, dia tsy ilaina hitady izay volo tomamotamo intsony ny mpisorona, fa efa maloto ilay olona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia hozahan’ny mpisorona indray izy; ka raha hitany fa nanitatra tokoa ny kimavo, dia tsy ilaina hitady izay volo tomamotamo intsony ny mpisorona, fa efa maloto ilay olona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hozahan’ny mpisorona izy, ka raha hitany fa nanitatra teo amin’ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona: efa maloto izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hozahan'ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hozahan’ny mpisorona indray izy, koa raha hitany fa niitatra teo amin’ny hoditra ny aretina dia tsy mila mitady volo somary vonivony intsony ny mpisorona. Efa maloto izy.

Jereo ny toko



Levitikosy 13:36
4 Rohy Ifampitohizana  

Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.


Raha efa nolazainy hoe madio anefa izy, no nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo,


Fa raha tsy nitatra ny fery kimavo araka ny fijery azy sady misy volon-koditra mainty maniry koa eo, dia sitrana ny kimavo, ka madio ilay olona ary holazain’ny mpisorona hoe madio izy.


Amin’ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin’ny rindrin-trano ny fery: