Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.
Levitikosy 13:34 - Baiboly Katolika ka amin’ny andro fahafito ny mpisorona hizaha ny fery kimavo indray: raha tsy nanitatra eo amin’ny hoditra ny kimavo, sady tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, dia holazain’ny mpisorona hoe madio izany olona izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hozahan’ny mpisorona ilay be hatina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy. Hanasa ny fitafiany izy dia hadio. DIEM PROTESTANTA Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa tsy nanitatra sady tsy nandoaka hoditra ny kimavo, dia hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary hanasa fitafiana izy dia hadio. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha zahan’ny mpisorona amin’ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon’ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio. Malagasy Bible Ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin'ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio. La Bible en Malgache Hozahan’ny mpisorona ilay be hatina amin’ny andro fahafito, koa raha hitany fa tsy niitatra teo amin’ny hoditra ny aretiny, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hambaran’ny mpisorona fa madio izy. Hanasa ny fitafiany izy dia hadio. |
Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.
dia hiharatra ilay voan’ny kimavo, afa-tsy amin’izay misy ny fery, ary hanokan-toerana azy hafitoana indray ny mpisorona;
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny;