Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 11:21 - Baiboly Katolika

Amin’ny biby madinika manana elatra mandia tongotra efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladia, hitsipihany eo amin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nefa kosa ho fihinanareo amin’ny zava-mandady manana elatra sady mandia tongotra efatra, izay manan-tongotra lava ambonin’ny faladiany hitsipihany eo amin’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’ireo bibikely ireo anefa, dia ho azonareo hanina ihany izay manampingotra ambony faladiany hitsipitsipihany eo amin’ny tany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’ireo bibikely ireo anefa, dia ho azonareo hanina ihany izay manampingotra ambony faladiany hitsipitsipihany eo amin’ny tany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

nefa izao kosa no ho fihinanareo amin’ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin’ny faladiany hitsipihany eo amin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nefa kosa ho fihinanareo amin’ny zava-mandady manana elatra sady mandia tongotra efatra, izay manan-tongotra lava ambonin’ny faladiany hitsipihany eo amin’ny tany.

Jereo ny toko



Levitikosy 11:21
4 Rohy Ifampitohizana  

«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany:


«Ny biby madinika rehetra manana elatra, mandia tongotra efatra, ho zava-betaveta aminareo.


Ireto no ho fihinanareo amin’ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargôla isan-karazany.


Ary tao anatiny nisy ny biby rehetra manan-tongotra efatra, sy ny biby mandady etỳ an-tany, ary ny voromanidina;