Levitikosy 11:13 - Baiboly Katolika «Amin’ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ny vorona ka tsy ho fihinanareo: Ny vaotoro, ny voromahery sy ny ankoay, DIEM PROTESTANTA «Izao kosa no hofadînareo amin’ny vorona ka tsy hohaninareo: ny voromahery sy ankoay isan-karazany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Izao kosa no hofadînareo amin’ny vorona ka tsy hohaninareo: ny voromahery sy ankoay isan-karazany; Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay Malagasy Bible Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay La Bible en Malgache Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ny vorona ka tsy ho fihinanareo: Ny vaotoro, ny voromahery sy ny ankoay, |
Iza no manoman-kanina ho an’ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsỳ sy arỳ tsy mahita hanina ireny?
Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity!
Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.
Fa izao no lazain’i Iaveh: Indro izy miezaka hanidina toy ny voromahery, mamelatra elatra eo ambonin’i Moaba.
Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an’efitra.
Ataovy am-bava ny anjomara, fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin’ny tranon’i Iaveh!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.
Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny.
Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.
Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin’ny elany; nanana elatra toy ny an’ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.