Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 1:12 - Baiboly Katolika

Horasaina araka ny didiny izy, mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra, dia halahatry ny mpisorona eo ambony kitay hazo voatohoka eo amin’ny afon’ny ôtely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Horasainy tsara ilay fanatitra mbamin’ny lohany sy ny jaborany ka halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay izay eo amin’ny afo eo ambonin’ny alitara;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay mpanolotra no hanao rasa vaventy azy sy hanesotra ny lohany sy ny taviny; fa mpisorona anankiray kosa no handahatra ireny eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay mpanolotra no hanao rasa vaventy azy sy hanesotra ny lohany sy ny taviny; fa mpisorona anankiray kosa no handahatra ireny eo ambonin’ny kitay izay napetraka tambony vainafo eo amin’ny alitara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia horasainy tsara izy mbamin’ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay izy eo amin’ny afo izay eo ambonin’ny alitara;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia horasainy tsara izy mbamin'ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin'ny kitay izy eo amin'ny afo izay eo ambonin'ny alitara;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Horasainy tsara ilay fanatitra mbamin’ny lohany sy ny jaborany ka halahatry ny mpisorona eo ambonin’ny kitay izay eo amin’ny afo eo ambonin’ny alitara;

Jereo ny toko



Levitikosy 1:12
3 Rohy Ifampitohizana  

izay vao halahatry ny mpisorona zanak’i Aarôna eo ambonin’ny kitay hazo, eo amin’ny afo, ny didin-kena mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra.


Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,


ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.