Josoa 7:18 - Baiboly Katolika Ary nampanatoniny isam-batan’olona ny tao an-tranon’i Zabdỳ, ka i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare avy amin’ny fokon’i Jodà no voatana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy ka i Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny fokon’i Joda, no voatana. DIEM PROTESTANTA Dia narosony tsirairay ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Zabdỳ ka i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdỳ ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, no voatondro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia narosony tsirairay ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Zabdỳ ka i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdỳ ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, no voatondro. Baiboly Protestanta Malagasy dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny firenen’i Joda, no notanana. Malagasy Bible dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana. La Bible en Malgache Dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy ka i Akana, zanak’i Karmy, zanak’i Zabdy, zanak’i Zera, avy tamin’ny fokon’i Joda, no voatana. |
Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,
Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.
Nampanatoniny i Jodà isam-pianakaviany, ka ny fianakavian’i Zare no voatana. Nampanatoniny isan-trano ny fianakavian’i Zare, ka i Zabdỳ no voatana.
Ka hoy i Saola: «Ataovy filokana izaho sy i Jônatasy zanako.» Dia i Jônatasy no voatondro.