kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobika, dia nampidininy tamin’ny manda.
Josoa 2:15 - Baiboly Katolika Dia nampidininy tamin’ny mahazaka avy eo am-baravarankely izy ireo, fa nanolotra ny manda indrindra ny tranony, ary teo ambony manda no nitoerany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nampidina azy tamin’ny tady mahazaka avy teo amin’ny varavarankely Ravehivavy; fa teo amin’ny mandan’ny tanàna ny tranony ary teo amin’ny manda no nitoerany. DIEM PROTESTANTA I Rahaba dia nipetraka tamina trano nanolotra ny mandan’ny tanàna; koa naidiny tamin’ny tadimahazaka, avy teo am-baravarankely, izy roa lahy sady nilazany hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Rahaba dia nipetraka tamina trano nanolotra ny mandan’ny tanàna; koa naidiny tamin’ny tadimahazaka, avy teo am-baravarankely, izy roa lahy sady nilazany hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Dia nampidina azy tamin’ny mahazaka avy teo amin’ny varavarankely izy; fa teo amin’ny màndan’ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ny mànda no nitoerany. Malagasy Bible Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany. La Bible en Malgache Ary nampidina azy tamin’ny tady mahazaka avy teo amin’ny varavarankely Ravehivavy; fa teo amin’ny mandan’ny tanàna ny tranony ary teo amin’ny manda no nitoerany. |
kanjo nalain’ny mpianatra kosa izy, nony alina, ka nataony tao anatin’ny sobika, dia nampidininy tamin’ny manda.
fa nampidinina an-tsobika avy teo am-baravarankely, nanaraka ny manda aho, ka afaka teo am-pelatanany.
Dia hoy izy roa lahy taminy: «Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rehefa omen’i Iaveh anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao.»
Ka hoy izy taminy: «Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika ianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rehefa afaka izany vao mandehana amin’ny lalanareo.»
Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.