Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Jona 1:14 - Baiboly Katolika Koa dia niantso an’i Iaveh izy nanao hoe: «Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria Ianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao. DIEM PROTESTANTA Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitaraina tamin’ny TOMPO ireo ka nanao hoe: –TOMPO ô, aza avelanao ho faty noho ny amin’ity lehilahy ity izahay. Aza atambesatra aminay ny fahafatesan’ny anankiray izay tsy nanan-tsiny. Fa Ianao ry TOMPO no manao araka izay sitrakao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitaraina tamin’i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ra marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao. Malagasy Bible Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao. La Bible en Malgache Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ireo hoe: Mifona aminao izahay, TOMPO ô! Aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity, ary aza atao ho mpandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izahay; fa Ianao, TOMPO ô, efa nanatanteraka izay sitraky ny fonao. |
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka amin’ny fahaporetany.
Manao izay tiany rehetra i Iaveh, eny an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.
Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin’ny tany maina, fa tsy afaka; satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.
Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa i Jônasy kosa nidina tao ambodi-sambo, dia nandry ka renoka natory tao.
aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin’ny tanany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: «Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin’ny ranomasina aza, tsy avelan’ny fahamarinan’Andriamanitra ho velona intsony.»
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny,
Ry Iaveh ô, avelao ny helok’i Israely vahoakanao izay navotanao, ary aza avela ao afovoan’i Israely vahoakanao ny ra tsy manan-tsiny. Dia voaonitra amin’izy ireo izany ra izany.