Joela 4:9 - Baiboly Katolika Miantsoa izao any amin’ny firenena: Miomàna hiady ianareo! Asaovy mitsangana ny lehilahy mahery! Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa, ny lehilahy mpiady rehetra! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ambarao any amin’ny Jentilisa izao: Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery! Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra! DIEM PROTESTANTA Antsoantsoy any amin’ny hafa firenena izao: «Miomàna hiady, vonòny ny miaramilanareo; aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Antsoantsoy any amin’ny hafa firenena izao: «Miomàna hiady, vonòny ny miaramilanareo; aoka ny mpiady rehetra hiara-manainga. Baiboly Protestanta Malagasy Antsoy any amin’ny jentilisa izany, Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra; La Bible en Malgache Ambarao any amin’ny Jentilisa* izao: Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery! Aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra! |