Joela 4:17 - Baiboly Katolika Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo Aho, izay monina ao Siôna, tendrombohitro masina; ho fitoerana masina i Jerosalema, ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; dia ho masina i Jerosalema ary ny hafa firenena dia tsy mba handeha hamakivaky eo intsony. DIEM PROTESTANTA Ary hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay monina ao Tsiôna tendrombohitro masina. Dia ho tanàna masina i Jerosalema, ka tsy hidiran’ny hafa firenena intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay monina ao Tsiôna tendrombohitro masina. Dia ho tanàna masina i Jerosalema, ka tsy hidiran’ny hafa firenena intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, Ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony. La Bible en Malgache Ary ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; dia ho masina i Jerosalema ary ny hafa firenena dia tsy mba handeha hamakivaky eo intsony. |