Joela 4:13 - Baiboly Katolika Raiso ny antsy fijinjàna fa masaka ny vary; avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barìka; satria be ny haratsian’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Arosoy ny antsimbary fa masaka ny vokatra; avia ianareo hanosihosy azy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana: Be loatra ny faharatsiany. DIEM PROTESTANTA Arosoy ny antsim-bary hijinjana azy toy ny fijinja ny vokatra masaka Avia ianareo hanosihosy azy toy ny fanosy ny voaloboka izay mameno ny famiazana. Mihoatra ny vata fanantazana azy ny divay; eny, be tokoa ny faharatsian’ireo olona ireo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Arosoy ny antsim-bary hijinjana azy toy ny fijinja ny vokatra masaka Avia ianareo hanosihosy azy toy ny fanosy ny voaloboka izay mameno ny famiazana. Mihoatra ny vata fanantazana azy ny divay; eny, be tokoa ny faharatsian’ireo olona ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy Arosoy ny fijinjana, Fa masaka ny vokatra; Avia hianareo, ka manosihose, Fa feno ny famiazam-boaloboka, Mihoatra ny vata fanantazana, Fa be ny faharatsiany. La Bible en Malgache Arosoy ny antsimbary fa masaka ny vokatra; avia ianareo hanosihosy azy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana: Be loatra ny faharatsiany. |