Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:6 - Baiboly Katolika

Fa misy firenena niakatra tamin’ny taniko sady mahery no tsy hita isa; ka ny nifiny dia nifin-diona; ary ny vazany vazan-diom-bavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; ny nifiny dia nifin’ny lion-dahy, ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa misy andiam-bibikely miakatra mamely ny tanintsika; Tsy hita isa sady mahery ireo, ary mpandravarava sy mpandevona toy ny nifin’ny lion-dahy na toy ny vazan’ny liom-bavy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa misy andiam-bibikely miakatra mamely ny tanintsika; Tsy hita isa sady mahery ireo, ary mpandravarava sy mpandevona toy ny nifin’ny lion-dahy na toy ny vazan’ny liom-bavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, Ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; ny nifiny dia nifin’ny lion-dahy, ary ny vazany dia vazan’ny liom-bavy.

Jereo ny toko



Joela 1:6
9 Rohy Ifampitohizana  

ny tany mahavokatra ho tanin-tsira noho ny haratsian’ny mponina teo aminy.


Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny, ary antsy ny vazany; hihinana ny ory tsy ho amin’ny tany, sy ny tsy manana tsy ho eo amin’ny olombelona.


Eo amin’ny tanin’ny vahoakako, tsilo sy hery no maniry, na dia eo ambonin’ny trano firavoravoana rehetra aza ao amin’ny tanàna ravoravo.


ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»


Tsy honina eo amin’ny tanin’i Iaveh izy ireo; fa hiverina ho any Ejipta i Efraima, ary hihinana ny zava-padìna any Asiria izy ireo.


Honerako aminareo ny taona nolevonin’ny valala sy ny ieleka ary ny kasila sy ny gazàna, izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.