Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:14 - Baiboly Katolika

Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo, ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, Angony ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ny tany Ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrareo, Koa andeha mitaraina amin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angony ny zokiolona sy ny mponina rehetra amin’ny tany ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO Andriamanitrareo, ary aoka hitaraina amin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Joela 1:14
15 Rohy Ifampitohizana  

«Lazao ampahibemaso fa hisy fivoriana manetriketrika hankalazana an’i Baala.» Dia nolazaina ampahibemaso izany.


Ary i Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan’i Iaveh avokoa, hatramin’ny ankizy madinika mbamin’ny vady aman-janany.


Namakiana isan’andro ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Hafitoana no nanaovana ny fety, ary tamin’ny andro fahavalo, dia nisy fivoriana manetriketrika, araka ny fomba voadidy


«Misaona i Jodà, miferinaina ny vavahadiny, mandry amin’ny tany izy efa rera-po, ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.


Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan’i Israely hataon’ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin’ny tanànan’i Jodà.


Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy; mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany! Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo, na tamin’ny andron’ny razanareo?


mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.»


Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.


aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.


Mitombena saina, mieritrereta ao anatinareo, ry karazan’olona lany henatra,