Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »
Joda 1:17 - Baiboly Katolika Fa ianareo kosa, ry malala, dia tsarovy ny teny voalazan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ianareo kosa, ry malala, dia tsarovinareo ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny. DIEM PROTESTANTA Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika; Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; Malagasy Bible Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; La Bible en Malgache Fa ianareo kosa, ry malala, dia tsarovinareo ny teny voalazan’ny Apostolin’i Jesosy Kristy* Tompontsika fahiny. |
Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,
mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran’ny mpaminany masina rahateo, mbamin’ny didin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin’Apôstôlinareo.
Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra, ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay; izany no ahafantarantsika izay fanahin’ny fahamarinana, sy izay fanahin’ny hadisoan-kevitra.
Ry malala, noho ny faniriako mafy hanoratra aminareo ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia voatery hanoratra ity taratasy ity ho anareo aho, mba hamporisika anareo hikely aina hiaro ny finoana, izay natolotra ny olo-masina indray mandeha monja.