Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
Jeremia 6:27 - Baiboly Katolika Nanangana anao eo amin’ny vahoakako Aho, ho mpitaiza toetra sy ho trano mimanda, mba hahalalanao sy hizahanao toetra ny lalany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba hahafantaranao sy hizahanao toetra ny alehany. DIEM PROTESTANTA Hataoko toy ny misedra vy ianao, ry Jeremià, mba hizaha toetra ny vahoakako: hofantarinao sy hotombananao ny fitondrantenany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hataoko toy ny misedra vy ianao, ry Jeremià, mba hizaha toetra ny vahoakako: hofantarinao sy hotombananao ny fitondrantenany. Baiboly Protestanta Malagasy Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, Mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany. Malagasy Bible Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany. La Bible en Malgache Ho mpizaha toetra ao amin’ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba hahafantaranao sy hizahanao toetra ny alehany. |
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
Hataoko manda varahina mafy ho an’ity vahoaka ity ianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin’i Iaveh. -
Longy mahafaty ny lelan’izy ireo; fa lainga no hany alefany; Fihavanana no lazain’ny vavany amin’ny namana, nefa ao anatin’ny fony dia otrika no heveriny hamelezana azy.
Hotsarainao va ireo, hotsarainao va ireo, ry zanak’olona? Ampahalalao azy ireo, ny fahavetavetan’ny razany;
Ary ianao, ry zanak’olona, moa hitsara va ianao; moa hitsara ny tanàna mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy avokoa ny fahavetavetany;