I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà
Jeremia 51:43 - Baiboly Katolika Ny tanànany zary zavatra fampitahorana, tany lao sy efitra; tany tsy misy zanak’olombelona mandalo akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny tanànany dia lao sy karankaina ary ngazana, dia tany tsy onenan’ny olona sady tsy misy zanak’olombelona mamakivaky eo. DIEM PROTESTANTA Tonga aolo ny tanànany; karankaina sy ngazana ny taniny sady tsy misy mponina intsony ary tsy misy olona mandalo azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga aolo ny tanànany; karankaina sy ngazana ny taniny sady tsy misy mponina intsony ary tsy misy olona mandalo azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ny tanànany dia lao Sy karankaina ary tani-hay, Dia tany tsy onenan’olona sady tsy misy zanak’olombelona mamaky eo. Malagasy Bible Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy zanak'olombelona mamaky eo. La Bible en Malgache Ny tanànany dia lao sy karankaina ary ngazana, dia tany tsy onenan’ny olona sady tsy misy zanak’olombelona mamakivaky eo. |
I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà
ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.
Tsilo no haniry ao an-dapany; ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda, ka ho fieren’amboadia sy ho valan’ostritsa foana izy.
Indro, ho tonga aminao ny loza, tsy azonao sakanana; hianjera aminao ny antambo, tsy azonao ahodivitra, ary hanjò anao ny faharavana tampoka, tsy nampoizinao velively akory.
Mba hahatonga ny taniny ho lao, sy ho zavatra fandatsa mandrakizay; dia hitanàka izay rehetra handalo ao, ary hikifi-doha.
Izy ireny tsy mba nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh, izay nitondra antsika niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, nitari-dalana antsika tany an’efitra, tany amin’ny tany ngàzana sady vaky hentana, tany amin’ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana, tany amin’ny tany tsy falehan’olona, tsy onenan’olona?›
Safo-kenatra ny reninareo; mivoaramenan’ny henatra ilay niteraka anareo. Indro izy, fa faraidiny amin’ny firenena, efitra, tany foana, tany karankaina!
Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.
Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.
I Iaveh no nilaza ny amin’ity fitoerana ity fa horavana izy, ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!