Dia niseho tamin’izay ny mason-drano, niposaka ny fanambanin’ny tany, noho ny teny mafy nataonao, ry Iaveh, sy noho ny fifofofofon’ny rivotra ny vavoronao.
Jeremia 51:42 - Baiboly Katolika Nisondrotan’ny ranomasin’i Babela, nosaforany tamin’ny onjany mirohondrohona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanafotra an’i Babilona ny ranomasina; voasaron’ny habetsahan’ny onjany izy. DIEM PROTESTANTA Tafakatra hatrany aminy ny ranomasina, nandrakotra azy ny onjany misafoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tafakatra hatrany aminy ny ranomasina, nandrakotra azy ny onjany misafoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ny ranomasina nanafotra an’i Babylona; Voasaron’ny habetsahan’ny onjany izy. Malagasy Bible Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy. La Bible en Malgache Nanafotra an’i Babilona ny ranomasina; voasaron’ny habetsahan’ny onjany izy. |
Dia niseho tamin’izay ny mason-drano, niposaka ny fanambanin’ny tany, noho ny teny mafy nataonao, ry Iaveh, sy noho ny fifofofofon’ny rivotra ny vavoronao.
Niantso an’izay mendrika hoderaina, an’i Iaveh, aho, dia voavonjy tamin’ny fahavaloko.
Ketraka ny fanahiko ato anatiko, ka izany no ahatsiarovako Anao, eo amin’ny tanin’i Jordany, mbamin’i Hermôna, sy ny tendrombohitr’i Misara.
Ny ony, ry Iaveh, manandratra, ny ony manandratra ny feony, ny ony manandratra ny onjany mimamamama.
Faminaniana ny amin’ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon’ny tadio mihazo any amin’ny atsimo, avy any an’efitra izany, amin’ny tany mahatahotra.
Fa mandrava an’i Babela i Iaveh, ka ataony mitsahatra ny tabatabany maresaka; mirohondrohona hoatra ny ranobe ny onjan’izy ireo, dia mandefa ny feon’ny firohondrohony.
noho izany, dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro, hiaviako ianao, ry Tira! Hampiakatra firenena maro hamely anao Aho, toy ny fampisondrotry ny ranomasina ny onjany.
«Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;