Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 5:11 - Baiboly Katolika

Satria efa nivadika tamiko, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa efa nivadika Tamiko mihitsy ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa efa nivadika tamiko mihitsy Ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa efa nivadika Tamiko mihitsy ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko



Jeremia 5:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe: «Voninahitra ho an’ny marina!» - Fa hoy aho: «Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»


Tsy mbola nandre izany ianao, tsy nahalala izany ianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.


Marina Ianao, ry Iaveh ô, ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho; fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny: Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy? Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?


Kanefa kosa, toy ny ivadihan’ny vehivavy amin’ny sakaizany no niodinanareo tamiko, ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh. -


Aniho ny mandany ka ravao, fa aza levonina avokoa; esory ny sakeliny, fa tsy an’i Iaveh ireny!


Manenjan-dela, toy ny tsipìka, handefasan-dainga; tsy amin’ny marina no mahahery azy amin’ny tany, fa mivarilavo amin’ny fahotana ihany izy ireo, ary Izaho tsy mba fantany, - teny marin’i Iaveh. -


Namitaka an’i Iaveh izy ireo, fa niteraka zaza hafa firenena; ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy mbamin’ny ananany.


Nivadika ny fanekena, tahaka an’i Adama, anefa izy ireo; fa nivadika tamiko teo.