Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro aho hamay azy ireo, ny zatovo, ho fatin’ny sabatra; ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary; ary tsy hisy miangana aminy;
Jeremia 49:26 - Baiboly Katolika Koa ho lavo eny amin’ny kianjany ny zatovony, mbamin’ny miaramilany rehetra, fa ho faty amin’izany andro izany izy ireo, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Noho izany dia hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana avokoa ny miaramila rehetra amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. DIEM PROTESTANTA Noho izany, dia ho faty eny an-kianja eny ny zatovony; ary ny miaramilany rehetra ho ripaka amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, dia ho faty eny an-kianja eny ny zatovony; ary ny miaramilany rehetra ho ripaka amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPOn’izao rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony, Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin’izany andro izany, Hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Malagasy Bible Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. La Bible en Malgache Noho izany dia hiampatrampatra eny amin’ny kianja ny zatovony, ary ho ringana avokoa ny miaramila rehetra amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. |
Noho izany izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro aho hamay azy ireo, ny zatovo, ho fatin’ny sabatra; ny zanany lahy aman-janany vavy, ho fati-mosary; ary tsy hisy miangana aminy;
Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin’ny kianjany, ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa, amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh. -
Ataovy hoe: Izao... - teny marin’i Iaveh: - Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha, ny fatin’ny olona, sy hoatra ny andalam-bary eo aorian’ny mpijinja, ka tsy misy mpanangona.»
Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon’ny sabatra; namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao; namono tsy nanana antra ianao!
Ny harenao, ny varotrao, ny entanao, ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao, ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao, ny lehilahy mpiady rehetra izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany izay eo afovoanao, dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina amin’ny andro hianjeranao.
Ianareo, nanirahako ny pesta; toy ny fisian’izany any Ejipta; novonoiko tamin’ny sabatra ny zatovonareo, ary tamin’izay indrindra no nisamborana ny soavalinareo; nampanetona ny hamaimbon’ny tobinareo Aho ka tonga eo am-bavoronareo; nefa tsy niverina tamiko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -