Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:14 - Baiboly Katolika

Nahazo filazana avy amin’i Iaveh aho, sady nisy iraka nalefa ho any amin’ny firenena hanao hoe: «Mivoria ianareo, ary mandehana mamely azy, mitsangàna ianareo mba hiady!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa efa nahare filazana avy tamin’NY TOMPO aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa hilaza hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy ary mitsangàna hanafika.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahare hafatra avy amin’ny TOMPO aho tamin’ny alalan’ny iraka izay nalefany ho any amin’ireo firenen-kafa nanao hoe: «Mivoria ianareo! Mandehana hamely an’i Edôma! Mitsangàna hanafika azy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahare hafatra avy amin’ny TOMPO aho tamin’ny alalan’ny iraka izay nalefany ho any amin’ireo firenen-kafa nanao hoe: «Mivoria ianareo! Mandehana hamely an’i Edôma! Mitsangàna hanafika azy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa efa nahare filazana avy tamin’i Jehovah aho, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny jentilisa hanao hoe: Mivoria hianareo, ka mankanesa hamely azy, Ary mitsangàna hanafika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa efa nahare filazana avy tamin’NY TOMPO aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin’ny Jentilisa* hilaza hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa hamely azy ary mitsangàna hanafika.

Jereo ny toko



Jeremia 49:14
12 Rohy Ifampitohizana  

Efa mby any Tanisa sahady ireo mpanapaka an’i Jodà; ary efa tafahoatra hatrany Hanesa ny irany;


Fa indro Aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin’ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny.»


Fa efa nataoko kely bitika ianao eo amin’ny firenena, ataon’ny olona tsy ho zavatra.


Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.


Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra, noho ny tsaho izay ho re honohono amin’ny tany! Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray, ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay; dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany, mpanapaka manao jadona mifanohitra.


Handre ady sy filazana ady ianareo; aza taitra, fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola izany no ho farany.