Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza tsy hahavokatra afa-tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.
Jeremia 48:33 - Baiboly Katolika Foana ny fifaliana amam-piravoravoana, eo amin’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin’i Moaba; nataoko tankina ny divay eo amin’ny barìka fandomam-boaloboka; tsy hosihosena intsony amam-pihobiana maresaka izy; ny hoby efa tsy hoby intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba; ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka, raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory. DIEM PROTESTANTA Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan’i Môaba. Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ary noritiko ny divay tao anaty barîka; foana hatreo ny akoram-pifaliana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan’i Môaba. Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ary noritiko ny divay tao anaty barîka; foana hatreo ny akoram-pifaliana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ny saha nahavokatra Sy tamin’ny tany Moaba; Ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, Tsy hisy hihoby amin’ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory. Malagasy Bible Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory. La Bible en Malgache Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana dia nesorina tamin’ny saha nahavokatra sy tamin’ny tany Moaba; ary nataoko tankina ny divay tamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy intsony fihobiana rehefa manao fanitsakitsahana voaloboka, raha misy aza dia fihobiana tsy izy akory. |
Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza tsy hahavokatra afa-tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.
Amin’izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon’ny Andriamanitsika?
Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania; ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin’ny divay vaovao; izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.
Hitomany ny olona eo amin’ny tanimboaloboka rehetra: fa handalo eo afovoanao Aho, hoy i Iaveh.
Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo afa-tsy folo; ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana, tsy nahazo afa-tsy roapolo.