Jeremia 48:29 - Baiboly Katolika Efa renay ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny fisolanàndrany, ny avonavony, ny reharehany, ary ny hambom-pony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba, fatra-piavonavona loatra mantsy izy, renay ny fireharehany sy ny fiavonavonany ary ny fiaingitrainginy sy ny avonavon’ny fony. DIEM PROTESTANTA Efa renay ny avonavon’i Môaba, izay fatra-piaingitraingitra loatra. Efa renay ny fireharehany mihoa-pampana sy ny avonavony amam-piaingitrainginy ary ny fizahozahoan’ny toe-tsainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa renay ny avonavon’i Môaba, izay fatra-piaingitraingitra loatra. Efa renay ny fireharehany mihoa-pampana sy ny avonavony amam-piaingitrainginy ary ny fizahozahoan’ny toe-tsainy. Baiboly Protestanta Malagasy Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba–fatra-piavonavona loatra izy– Dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ny fony. Malagasy Bible Ffa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony. La Bible en Malgache Efa renay ny fiavonavonan’i Moaba, fatra-piavonavona loatra mantsy izy, renay ny fireharehany sy ny fiavonavonany ary ny fiaingitrainginy sy ny avonavon’ny fony. |
Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny, fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.
Ny atao hoe mpamazivazy dia izay olona mianjonanjona, feno avona, izay fatra-pirehaka amin’ny ataony.
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.