Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.
Jeremia 46:13 - Baiboly Katolika Teny nataon’i Iaveh tamin’i Jeremia, mpaminany, ny amin’ny hiavian’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely ny tany Ejipta: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna tonga nanafika an’i Ejipta: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna tonga nanafika an’i Ejipta: Baiboly Protestanta Malagasy Ny teny izay noalzain’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hihavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, hamely ny tany Egypta. Malagasy Bible Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta. La Bible en Malgache Ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Jeremia mpaminany ny amin’ny hiavian’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, hamely ny tany Ejipta. |
Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro hahatonga sabatra hamely anao Aho, ary handringana ny olona sy ny biby eo aminao;