Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 38:21 - Baiboly Katolika

Fa raha mandà tsy hivoaka ianao dia izao no nambaran’i Iaveh tamiko:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao dia izao no teny efa nasehon’NY TOMPO ahy:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha tsy manaiky hitolo-batana ianao, dia izao no zavatra nasehon’ny TOMPO tamiko:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha tsy manaiky hitolo-batana ianao, dia izao no zavatra nasehon’ny TOMPO tamiko:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha tsy mety mivoaka kosa hianao, dia izao no teny efa nasehon’i Jehovah ahy:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao dia izao no teny efa nasehon’NY TOMPO ahy:

Jereo ny toko



Jeremia 38:21
20 Rohy Ifampitohizana  

Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamaniny izy, ary tsy nanetry tena teo anatrehan’i Jeremia mpaminany, izay niteny taminy, tamin’ny anaran’i Iaveh.


Manana ny heviny anefa Izy; ka iza no hampiova Azy amin’izay? Izay iriny tanterahiny avokoa.


Moa tsy maintsy ho araka ny hevitrao va no hitsaran’Andriamanitra, ka ianao hahazo manifika ny teny fitsarana avoakany? Ianao no aoka hifidy araka izay tianao, fa tsy izaho, ambarao izay fantatrao.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?


Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»


Fa hoy ny navalin’i Jeremia: «Tsy hanolotra anao ny olona; mba henoy re ny feon’i Iaveh amin’izay ambarako aminao, dia hahita soa amin’izay ianao ary ho voavonjy ny ainao.


Indro fa ny vehivavy sisa rehetra amin’ny ankohonan’ny mpanjakan’i Jodà, hoentina ao amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao aminao hoe: Sodòkan’ny sakaizanao ianao, ka resiny; nihitsoka anaty fotaka ny tongotrao dia nidify kosa izy ireo.


Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.


Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo.


Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.


Ary noho izy notoherin’ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin’ireo: «Aoka ho eo amin’ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin’izao dia any amin’ny Jentily no halehako.»


Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,