Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 37:12 - Baiboly Katolika

dia nivoaka avy ao Jerosalema koa i Jeremia, hankany amin’ny tanin’i Benjamina, mba handray ao izay anjarany eo amin’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia nivoaka avy tao Jerosalema i Jeremia hankany amin’ny tanin’ny Benjamina mba handray izay anjara lovany eo amin’ny vahoaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia nivoaka ny tanàna i Jeremià hankany amin’ny faritanin’i Benjamîna mba handray anjara amin’ny fizaràn-tany ataon’ny fianakaviany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia nivoaka ny tanàna i Jeremià hankany amin’ny faritanin’i Benjamîna mba handray anjara amin’ny fizaràn-tany ataon’ny fianakaviany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin’ny tanin’ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia nivoaka avy tao Jerosalema i Jeremia hankany amin’ny tanin’ny Benjamina mba handray izay anjara lovany eo amin’ny vahoaka.

Jereo ny toko



Jeremia 37:12
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony nahita izany i Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an’i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony,


Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»


i Hokàka, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Rohoba, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;


Fa hoy ny navaliko: «Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!... Ary ahoana moa no hidiran’ny olona tahaka ahy any amin’ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho.»


Ary hoy aho: Endrey! raha manana elatry ny voromahailala mantsy aho, dia hanidina sy hipetraka amim-piadanana;


Tenin’i Jeremia zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.


Tamin’ny nialan’ny tafiky ny Kaldeanina tao Jerosalema noho ny amin’ny tafik’i Faraôna,


Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.


fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.