Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 34:19 - Baiboly Katolika

dia ny filohan’i Jodà, ny filohan’i Jerosalema, ny eonoka ama-mpisorona mbamin’ny vahoaka, rehetra amin’ny tany namaky teo anelanelan’ny tapaky ny vantotr’ombalahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka any Jerosalema, ny tandapa, ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra izay nandeha teo anelanelan’ny tapaky ny ombilahy kely,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan’ny tapaky ny ombilahy kely,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan'ny tapaky ny ombilahy kely,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka any Jerosalema, ny tandapa, ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra izay nandeha teo anelanelan’ny tapaky ny ombilahy kely,

Jereo ny toko



Jeremia 34:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.


Hoy ny navalin’i Abrahama: «Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?»


Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.


Nentina ho any Babilôna i Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonòkany, ny olo-malaza amin’ny tany.


nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;


Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin’izany fanekena izany, ny handefa ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin’ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa.


Ren’i Abdemeleka etiôpianina eonòka tao an-tranon’ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka i Jeremia; nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamina ny mpanjaka tamin’izay;


Ireo zanaka lahin’i Sedesiasa novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna teo imasony, tao Reblà; ny lehibe rehetra tamin’i Jodà, novonoin’ny mpanjakan’i Babilôna koa.