Jeremia 33:25 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: Raha tahiny Aho tsy nanao fanekena amin’ny andro sy ny alina sy tsy nandahatra ny lalàna arahin’ny lanitra sy ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko ary raha tsy notendreko ny lalàna mitondra ny lanitra sy ny tany, DIEM PROTESTANTA Kanefa izao no lazaiko: Nanao fifanekena tamin’ny andro sy ny alina Aho, ary nametraka lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa izao no lazaiko: Nanao fifanekena tamin’ny andro sy ny alina Aho, ary nametraka lalàna mifehy ny lanitra sy ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko, Ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany, Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany, La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO: Raha tsy amin’ny andro sy ny alina ny fanekeko ary raha tsy notendreko ny lalàna mitondra ny lanitra sy ny tany, |
Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»
Araka ny lalànao no mbola aharetan’ny zavatra rehetra mandraka androany; fa manaiky ny fandaharanao ny zavatra rehetra.
Izao no lazain’i Iaveh: Raha mahafoana ny fanekeko amin’ny andro, sy ny fanekeko amin’ny alina, ianareo, ka efa tsy amin’ny fotoany intsony, ny andro sy ny alina: