Sikino amin’ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery, tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.
Jeremia 33:15 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany dia hampaniry Solofo marina ho an’i Davida Aho; ary hanao fitsarana marina amin’ny tany Izy. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany Dia hampaniry Rantsana marina ho an’i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany Izy. Malagasy Bible Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany sy amin’izany fotoana izany dia hampaniry Solofo marina ho an’i Davida Aho; ary hanao fitsarana marina amin’ny tany Izy. |
Sikino amin’ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery, tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
«Amin’izany andro izany, ny solofon’i Iaveh ho haingo amam-boninahitra, ary ny vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an’ireo sisan’i Israely afaka.
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.
amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty, ny mpanjaka sy ny mpifehy, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly, izy sy ny mpifehy momba azy, mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity.
fa ho mpanaiky an’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, sy an’i Davida mpanjakany, izay hatsangako ho azy.
Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa; ka hoy ny fahavalony: «Tsy meloka isika! satria izy ireo efa nanota tamin’i Iaveh, ilay fonenan’ny fahamarinana; tamin’i Iaveh, ilay fanantenan’ny razany.»
Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany;