Jeremia 32:8 - Baiboly Katolika
Dia tonga tatỳ amiko tokoa tao amin’ny kianja fiambenana araka ny tenin’i Iaveh i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: «Mba vidio ny sahako ao Anatôta, amin’ny faritanin’i Benjamina, fa manana ny rariny handoavanao sy hanavotanao azy ianao, ka mba vidio àry.» Fantatro tamin’izany fa tenin’i Iaveh izany.
Jereo ny toko
Ary i Hanamela, zana-drahalahin’Ikaky, dia tonga tao amiko teo amin’ny kianjan’ny trano fiambenana araka ny tenin’NY TOMPO ka hoy izy tamiko: Miangavy anao aho, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ny tanin’ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Dia fantatro fa tenin’NY TOMPO izany.
Jereo ny toko
Araka izay nolazain’ny TOMPO, dia tonga tany amiko tao an-kianja fiambenana tokoa i Hanamèla zana-drahalahin-draiko, ka niteny tamiko hoe: –Tokony hovidinao ny sahako izay ao Hanatôta ao amin’ny tanin’i Benjamîna, fa ianao no havako akaiky ka manan-jo hanavotra sy hanana azy. Koa fantatro tamin’izay fa ny TOMPO tokoa no efa niteny tamiko.

Ary Hanamela, zana-drahalahin’ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan’ny trano fiambenana araka ny tenin’i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna hianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ny tanin’ny Benjamina, fa hianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin’i Jehovah izany.
Jereo ny toko
Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.