Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 29:16 - Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny vahoaka rehetra monina amin’ity tanàna ity, sy ireo rahalahinareo tsy mba lasa nandeha niaraka taminareo ho any amin’ny tany fahababoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay monina amin’ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay mbola mipetraka eto Jerosalema, izany hoe ireo mpiray firenena tsy mba nentina ho babo niaraka taminareo, dia izao no lazain’ny Tompo,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay mbola mipetraka eto Jerosalema, izany hoe ireo mpiray firenena tsy mba nentina ho babo niaraka taminareo, dia izao no lazain’ny Tompo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay monina amin’ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny amin’ny vahoaka rehetra izay monina amin’ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo;

Jereo ny toko



Jeremia 29:16
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary 21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary 11 taona no nanjakany tao Jerosalema.


Ny iray tamin’ireo harona ireo, nisy aviavy tsara dia tsara, toy ny aviavy vokatra voalohany; ny iray kosa, nisy aviavy ratsy dia ratsy, tsy azo hanina akory noho ny haratsiany loatra.


Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin’i Iaveh - no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin’ity tany ity, ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.


taratasy nampitondrainy tamin’ny alalan’i Elàsa, zanak’i Safàna, sy i Gamariasa, zanak’i Helkiasa, izay nirahin’i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ho any Babilôna, amin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, ka hoy ny taratasy hoe:


Ka dia naidiko teo aminy, ny fahatezerako; nolevoniko tamin’ny afon’ny hatezerako izy; natsingeriko teo an-dohany, izay nataony, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -