Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma, fony tamin’ny andron’i Jerosalema, dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy, hatramin’ny fotony!»
Jeremia 25:21 - Baiboly Katolika I Edôma, i Moaba, mbamin’ny taranak’i Amôna; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Edoma, Moaba, ny taranak’i Amona, DIEM PROTESTANTA –ny Edômita sy ny Môabita ary ny Hamônita; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –ny Edômita sy ny Môabita ary ny Hamônita; Baiboly Protestanta Malagasy ary Edoma sy Moaba sy ny taranak’i Amona, Malagasy Bible ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona, La Bible en Malgache Edoma, Moaba, ny taranak’i Amona, |
Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma, fony tamin’ny andron’i Jerosalema, dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy, hatramin’ny fotony!»
Fa ny tanan’i Iaveh hipetraka amin’ity tendrombohitra ity; ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.
Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Manaova fatorana sy jioga ianao, ka ataovy eo ambony vozonao.
Dia ampanatero izany ho any amin’ny mpanjakan’i Edôma, ny mpanjakan’i Moaba, ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ny mpanjakan’i Tira, ary ny mpanjakan’i Sidona, amin’ny alalan’ireo iraka izay tonga tatỳ Jerosalema ho any amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà:
ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?»
An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;
Teny mamely ny taranak’i Amôna. Izao no lazain’i Iaveh: Tsy manan-taranaka va i Israely? Tsy manan-kandova va izy? Ahoana no nangalan’i Melkoma an’i Gada ho azy, sy nakan’ny vahoakany fonenana eo amin’ny tanànany?
Teny mamely an’i Edôma. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren’izy ireo?
Ao ry i Edôma, mbamin’ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo, na dia be aza ny heriny, dia natao teo amin’ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin’ny tsy voafora koa izy, sy amin’izay nidina any an-davaka.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Moaba, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nodorany ny taolan’ny mpanjakan’i Edôma, nataony zary sokay,
Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny.