araka ny efa nanatanterahanao ny voalazanao tamin’i Davida raiko mpanomponao; fa notanterahin’ny tananao izay voalazan’ny vavanao, araka izao hita anio izao.
Jeremia 25:18 - Baiboly Katolika ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia Jerosalema, ny tanànan’ny Joda, ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hahatonga azy ho tany lao sy ho figagana, ho zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’izao anio izao; DIEM PROTESTANTA I Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda mbamin’ireo mpanjaka sy mpanapaka teo aminy no nanombohako izany mba hahatonga ireo toerana ireo ho rava ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-panozonana, araka izao toe-javatra ankehitriny izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda mbamin’ireo mpanjaka sy mpanapaka teo aminy no nanombohako izany mba hahatonga ireo toerana ireo ho rava ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-panozonana, araka izao toe-javatra ankehitriny izao. Baiboly Protestanta Malagasy dia Jerosalema sy ny tanànan’ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’izao anio izao; Malagasy Bible dia Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio izao; La Bible en Malgache dia Jerosalema, ny tanànan’ny Joda, ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hahatonga azy ho tany lao sy ho figagana, ho zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’izao anio izao; |
araka ny efa nanatanterahanao ny voalazanao tamin’i Davida raiko mpanomponao; fa notanterahin’ny tananao izay voalazan’ny vavanao, araka izao hita anio izao.
noho ianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny nandrenesanao izay tononiko hanjò ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa Aho. - teny marin’i Iaveh:
Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandrak’androany, dia efa meloka loza erỳ izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Koa indro, andevo izahay izao! Indreto izahay andevo eto amin’ny tany nomenao ny razanay indrindra, hihinanany ny vokatra sy hiaranany amin’ny soa avy aminy.
Ry Andriamanitra ô, nanary anay Ianao, nampihahaka anay, efa tezitra Ianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.
Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.
ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko; ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.
ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»
Izao no lazain’i Iaveh: «Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà, sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.
Hataoko zavatra mahatsiravina sy loza izy ireo, any amin’ny fanjakana rehetra amin’ny tany, ho fandatsa ho ambentinteny, ho fihomehezana, ho fanozonana, any amin’ny tany rehetra handroahako azy.
Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
dia hataoko tahaka an’i Silao ity trano ity, ary hataoko fanozonana amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ity tanàna ity.› »
Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.
Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.
Tandremonareo anefa ny amin’ny zavatra natao anatema, fandrao mahatonga ny tobin’i Israely ho anatema ka mampitabataba azy ianareo, raha maka zavatra amin’izay nataonareo anatema.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?