Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 25:10 - Baiboly Katolika

Hampijanona eo afovoany aho, ny hobim-pifaliana, ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, ny hiran’ny ampakarina, ny feom-bato fikosoham-bary, ary fahazavan’ny jiro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hofoanako tsy hisy eo aminareo ny tabataban’ny fety, ny horakora-pifaliana sy ny hiran’ny mpanambady, ny fidilotry ny vato fikoseham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hofoanako tsy hisy eo aminareo ny tabataban’ny fety, ny horakora-pifaliana sy ny hiran’ny mpanambady, ny fidilotry ny vato fikoseham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina, ny feon’ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ny jiro.

Jereo ny toko



Jeremia 25:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony.


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hatsahatro amin’ity tany ity, eo imasonareo sy amin’ny andronareo, ny hobin-kafaliana sy ny hobim-piravoravoana, ny hiran’ny mpampakatra, aman-kiran’ny ampakarina.


Foana ny fifaliana amam-piravoravoana, eo amin’ny saha voavoly hazo mamoa sy ny tanin’i Moaba; nataoko tankina ny divay eo amin’ny barìka fandomam-boaloboka; tsy hosihosena intsony amam-pihobiana maresaka izy; ny hoby efa tsy hoby intsony.


Hataoko mitsahatra eo an-tanànan’i Jodà, sy eny an-dalamben’i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.


Nitsahatra ny fifalian’ny fonay; niova ho fisaonana ny dihinay.


Hataoko mitsahatra ny feon-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.


Koa halaiko indray ny variko amin’ny androny, sy ny divaiko vaovao amin’ny taonany, sady hoesoriko ny volon’ondry aman-drongoniko, izay enti-manarona ny fitanjahany.