Fa hoy i Iaveh: «Hoesoriko hiala eo anatrehan’ny Tavako koa i Jodà, tahaka ny nanesorako an’i Israely, ary hariako ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ity trano nolazaiko hoe: Ho ao ny Anarako.»
Jeremia 23:33 - Baiboly Katolika Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, no manontany anao manao hoe: «Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?» dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany, ary hariako ianareo.» - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, Ka manao hoe: Inona no entan’ i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin’ny entana – Hariako hianareo, hoy Jehovah. Malagasy Bible Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona ka miteny hoe: Inona indray no enta-mavesatry NY TOMPO? Dia teneno aminy hoe: Ianareo no enta-mavesatra ka hariako ianareo, hoy NY TOMPO. |
Fa hoy i Iaveh: «Hoesoriko hiala eo anatrehan’ny Tavako koa i Jodà, tahaka ny nanesorako an’i Israely, ary hariako ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ity trano nolazaiko hoe: Ho ao ny Anarako.»
ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.
Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; izay tiako dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavaloko.
Volafotsy farany, hoy ny olona: satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo.
ka hoesoriko eo anatrehako ianareo, toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra.»
Na hitaiza ny zanany aza izy, hoesoriko aminy alohan’ny hahatongavany ho lehilahy ireny; satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
Teny fitsarana. Tenin’i Iaveh mamely ny tany Hadràky; ary ao Damasa no ho fonenany, - fa ny mason’i Iaveh dia eo amin’ny olona, sy eo amin’ny fokon’i Israely rehetra; -