Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Jeremia 22:24 - Baiboly Katolika Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - Na ho peratra eo an-tanako ankavanana aza I Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà dia hombotako hiala eo izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, na dia ho peratra fitombo-kase amin’ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao DIEM PROTESTANTA Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo. Baiboly Protestanta Malagasy Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ny tànako ankavanana aza hianao, Ry Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, Dia hotsoahako hiala eo hianao, Malagasy Bible Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao, La Bible en Malgache Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, na dia ho peratra fitombo-kase amin’ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’i Joiakima, mpanjakan’ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao |
Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
Nentina ho any Babilôna i Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonòkany, ny olo-malaza amin’ny tany.
Valo taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy.
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.
Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe: Mipetraha ianareo amin’ny tany, fa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo.
Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?
Satria izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà: «Tahaka an’i Galaada ianao amiko, tahaka ny tampon’i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.
Nampitazanin’i Iaveh aho, ka indreto aviavy roa harona voapetraka teo anoloan’ny Tempolin’i Iaveh; ny nahatongavan’izany, dia taorian’ny nitondran’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, ny lehiben’i Jodà, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy, avy ao Jerosalema ho babo any Babilôna.
Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, - teny marin’i Iaveh, - fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
nony efa niala tany Jerosalema i Jekôniasa mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka, ny eonòka, ny mpanapaka any Jodà sy Jerosalema, ny mpandrafitra ama-mpanefy vy;
I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ka hataoko toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.