Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
Jeremia 19:12 - Baiboly Katolika Izany no hataoko amin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, - sy amin’ny mponina ao aminy, rehefa hataoko tahaka an’i Tôfeta ity tanàna ity. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia toy izany no hataoko amin’ity tanàna ity sy amin’izay mponina ato; hatao tahaka an’i Tofeta ity tanàna ity, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Koa ho tahaka izay nanjo an’i Tôfeta no hataoko amin’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ho tahaka izay nanjo an’i Tôfeta no hataoko amin’ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Dia toy izany no hataoko amin’ity tanàna ity sy amin’izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an’i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah. Malagasy Bible Dia toy izany no hataoko amin'ity tanàna ity sy amin'izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an'i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Dia toy izany no hataoko amin’ity tanàna ity sy amin’izay mponina ato; hatao tahaka an’i Tofeta ity tanàna ity, hoy NY TOMPO. |
Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany.
mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita izao.» Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»
ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika: Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity, toy ny fanamòntsana ny vilanin’ny mpanefy, izay tsy azo atambatra intsony; ka any Tôfeta no handevenana noho ny tsy fisian’ny tany handevenana.
Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.