Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 17:24 - Baiboly Katolika

«Raha mety mihaino Ahy tsara ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ka tsy mampiditra entana, amin’ny vavahadin’ity tanàna ity, amin’ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin’izany andro izany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha mihaino Ahy tokoa ianareo, hoy NY TOMPO, ka tsy mampiditra entana amin’ny vavahadin’ity tanàna ity amin’ny andro Sabata ary tsy manao raharaha amin’izany andro izany,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin’ireo vavahadin’ny tanàna ireo amin’ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin’ireo vavahadin’ny tanàna ireo amin’ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha mihaino Ahy tokoa hianareo, hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin’ny vavahadin’ity tanàna ity amin’ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin’izany,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha mihaino Ahy tokoa ianareo, hoy NY TOMPO, ka tsy mampiditra entana amin’ny vavahadin’ity tanàna ity amin’ny andro Sabata ary tsy manao raharaha amin’izany andro izany,

Jereo ny toko



Jeremia 17:24
11 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Izy: «Raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, raha manao izay mahitsy eo anatrehany, raha mampandry sofina amin’ny didiny ary mitandrina ny lalàny rehetra, dia tsy hisy hameliko anao ireny aretina nafitsoko ny Ejiptianina ireny, fa i Iaveh manasitrana anao Aho.»


«Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.


Ary ny ho hitany dia mpitaingin-tsoavaly mpitaingin-tsoavaly mitaingina ampondra, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-drameva. Dia hijery amim-pitandremana izy, amim-pitandremana fatratra.»


Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.


ary ankamasino ny sabatako; ho famantarana amiko sy aminareo, mba hahalalanareo fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.


Ho tonga hanao ny tempolin’i Iaveh ny avy lavitra, ka ho fantatrareo fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tanteraka izany, raha manaiky tsara ny feon’i Iaveh ianareo.› »


Raha mankatò ny didiko, izay andidiako anareo anio ianareo amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo sy amin’ny fanompoana Azy amin’ny fonareo rehetra, sy amin’ny fanahinareo rehetra,


Fa raha mitandrina tsara izao didy rehetra asaiko tandremanareo izao ianareo, ka tia an’Andriamanitrareo sy mandeha amin’ny lalany rehetra ary miraiki-po aminy: