Ka izao no teny notononin’i Iaveh namelezany azy: Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virjiny zanaka vavin’i Siôna: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanaka vavin’i Jerosalema.
Jeremia 14:17 - Baiboly Katolika Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa lazao aminy izao teny izao: Hijononoka andro aman’alina ny ranomasoko ka tsy hitsahatra; fa ny oloko, zanakavavy virijiny, dia naratra mafy tokoa tamin’ny kapoka tena maharary. DIEM PROTESTANTA Izao kosa no teny holazainao aminy: Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman’alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao kosa no teny holazainao aminy: Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman’alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy. Baiboly Protestanta Malagasy Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman-alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy Tamin’ny kapoka maharary indrindra. Malagasy Bible Koa lazao aminy izao teny izao: Ny ranomasoko hijononoka andro aman'alina ka tsy hitsahatra; Fa ny oloko, zanakavavy virijina, naratra mafy dia mafy tamin'ny kapoka maharary indrindra. La Bible en Malgache Koa lazao aminy izao teny izao: Hijononoka andro aman’alina ny ranomasoko ka tsy hitsahatra; fa ny oloko, zanakavavy virijiny, dia naratra mafy tokoa tamin’ny kapoka tena maharary. |
Ka izao no teny notononin’i Iaveh namelezany azy: Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virjiny zanaka vavin’i Siôna: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanaka vavin’i Jerosalema.
ka izao no teny nolazain’i Iaveh ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao ilay virjiny zanaka vavin’i Siôna; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanaka vavin’i Jerosalema!
Loza ho ahy noho ny fahamangànako: manaintaina ny feriko; nefa hoy aho: Eny, anjara fahoriako izao, ka hozakaiko.
Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.
Noho izany izao no lazain’i Iaveh: «Manontania ny firenena ianareo: Iza no mbola nahare izay zavatra toy izany? Fahavetavetana mahatsiravina no nataon’ny virjinin’Israely.
Mangana aho amin’ny hamanganan’ny zanaka vavin’ny oloko; misaona aho ary raiki-tahotra aho.
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Fa misy feo fidradradradràna re avy ao Siôna manao hoe: ‹Indrisy ity isika dia rava, safo-kenatra, tsy maintsy mandao ny tany, satria efa nazera ny tranontsika!›
Levona azon’ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin’ny tany ny atiko, noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako, raha ilay toran’ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin’ny kianjan’ny tanàna.
Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanaka vavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?
Mitaraina amin’ny Tompo ny fon’izy ireo! Ry mandan’ny zanaka vavin’i Siôna ô! Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao, andro aman’alina; aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao! Aza mety mijanona akory.
Efa lavo, efa tsy hahatsangana intsony, ilay virjinin’i Israely! Mitsingàdina amin’ny tany izy, ary tsy hisy hanarina azy.
Koa izao kosa no Ahy, ka hasiako kapoka mahafaty ianao, haringako noho ny fahotanao ianao.