Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 13:26 - Baiboly Katolika

Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao, hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr’akanjonao ho eny amin’ny tavanao mba hisehoan’ny henatrao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izaho koa dia hanainga ny morontongotr’akanjonao hatreny amin’ny endrikao ka ho hita mitanjaka ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izaho koa dia hanainga ny morontongotr’akanjonao hatreny amin’ny endrikao ka ho hita mitanjaka ianao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr’akanjonao ho eny amin’ny tavanao, Mba hisehoan’ny henatrao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Izaho kosa dia hampiainga ny moron-tongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, mba hisehoan'ny henatrao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr’akanjonao ho eny amin’ny tavanao mba hisehoan’ny henatrao.

Jereo ny toko



Jeremia 13:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Aoka hiharihary ny fitanjahanao, aoka ho hita ny fahamenaranao! Fa hamaly faty Aho, ka tsy misy olona hananako antra. -


Raha tahiny ianao manao anakampo hoe: Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?... Dia ny haben’ny helokao, no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao, sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.


Fa Izaho no nampiboridana an’i Esao, sy nampiharihary ny fiereny, ka tsy afa-miery intsony izy. Ringana avokoa ny taranany, ny rahalahiny, ny mifanakaiky aminy, ka tsy misy intsony izy.


Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.


noho izany dia indro, hovoriko avokoa ny lehilahinao rehetra izay nijangajanganao, izay notiavinao rehetra, mbamin’izay rehetra nankahalainao; dia hovoriko avy any rehetra any ireny, hamely anao; hasehoko eo anoloan’izy ireo ny fitanjahanao, ka hahita ny fitanjahanao izy.


Izy ireo hitondra anao amim-pankahalana, hamabo izay rehetra azonao, hamela anao mitanjaka, dia mitanjaka mihitsy; ary ny fitanjahanao amam-pijangajanganao hihanjahanja.


Tsy nahalala izy, fa Izaho no nanome azy ny vary, ny divay vaovao sy ny diloilo sy nampitombo ho azy ny volafotsy sy ny volamena izay nampiasainy ho an’i Baala.


Ary ankehitriny, habaribariko ny fahamenarany eo imason’ireo lehilahiny, ary tsy misy hahafaka azy amin’ny tanako.


Inty Aho izao manohitra anao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika; - haingaiko hatrany amin’ny tavanao ny rambon’ny akanjonao, haharihariko amin’ny firenena ny fitanjahanao, ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.