Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao, ary manolotra azy amin’ny fahavalony, aty ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin’ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky,
Jakoba 3:2 - Baiboly Katolika Fa manota amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy tsy manota amin’ny teny, olona lavorary izy, ka mahafehy ny tenany rehetra koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mety diso amin’ny zavatra maro mantsy isika rehetra. Raha misy olona tsy mba mety diso amin’ny teniny dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany manontolo koa. DIEM PROTESTANTA Eny, diso amin’ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin’ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, diso amin’ny zavatra maro isika rehetra; fa raha misy olona tsy diso mihitsy amin’ny teny, dia tanteraka izy, ka mahafehy ny tenany manontolo koa. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. Malagasy Bible Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa. La Bible en Malgache Mety diso amin’ny zavatra maro mantsy isika rehetra. Raha misy olona tsy mba mety diso amin’ny teniny dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany manontolo koa. |
Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao, ary manolotra azy amin’ny fahavalony, aty ny mpandresy hitondra azy ho babo, any amin’ny tanim-pahavalo, na ho lavitra na ho akaiky,
«Raha avy izay hanotany aminao, fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao, dia manolotra azy amin’ny fahavalony, ary ny mpandresy hitondra azy ho babo any an-tany lavitra na akaiky,
Andriamanitra va ataonao hiharan’ny hatezeranao, ary ny vavanao va no hamoahanao lahateny toy izany?
Iza no olona mankamamy ny aina, iza no maniry andro lava hanaranam-po amin’ny fahasambarana?
Izay mahafehy ny vavany, miaro ny fanahiny; fa izay fatra-piloa-bava kosa, mitady ny lozany.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.
Raha mamaritra fotsy matromatroka ny hodiny ao amin’ny nofony, dia foròfotra maniry amin’ny hodiny izany, ka madio izy.
Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?
Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Fa nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana.
Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
Manao veloma anareo i Epafrasy, mpanompon’i Kristy, avy atỳ aminareo; miady ho anareo mandrakariva izy amin’ny fivavahany, mba ho lavorary sy hatoky tsara ianareo ka hitoetra mafy amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra;
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony.
Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Fa na zovy na zovy nitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin’ny anankiray monja, dia meloka amin’izy rehetra.
Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy,
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.