Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahy matoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahy aivo.
Jakoba 2:2 - Baiboly Katolika Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy sarobidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy olona miditra eo amin’ny sinagoganareo ka misy peratra volamena amin’ny rantsantanany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona mahantra sady miakanjo ratsy, DIEM PROTESTANTA Fa misy ohatra olona miperatra volamena sady manao akanjo marevaka miditra ao am-piangonanareo, ary misy mahantra ratsy akanjo miditra ao koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa misy ohatra olona miperatra volamena sady manao akanjo marevaka miditra ao am-piangonanareo, ary misy mahantra ratsy akanjo miditra ao koa. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha misy olona miditra eo amin’ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, Malagasy Bible Fa raha misy olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, La Bible en Malgache Raha misy olona miditra eo amin’ny sinagoganareo ka misy peratra volamena amin’ny rantsantanany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona mahantra sady miakanjo ratsy, |
Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahy matoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano, ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahy aivo.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.
Fa hoy irainy tamin’ny mpanompony: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony,
Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray.
ka ilay mitafy sarobidy no jerenareo sy ataonareo hoe: «Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha,» fa ilay mahantra kosa ilazanao hoe: «Mitsangàna erỳ, na mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro»