Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jakoba 1:8 - Baiboly Katolika

fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

fa miroa saina sady mivadibadika amin’ny fiaimpiainany rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

fa miroa saina sady mivadibadika amin’ny fiaimpiainany rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.

Jereo ny toko



Jakoba 1:8
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.


Koa araka izany, dia sady nanaja an’i Iaveh izy ireo, no nanompo ny andriamaniny, araka ny fanaon’ny firenena nangalana azy avy koa.


koa araka izany dia natahotra an’i Iaveh ireo firenena ireo no sady nanompo ny sarin-javatra tao aminy koa, ary ataon’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrak’androany izay nataon-drazany.


Halako ny olona miroa fo, ary tia ny lalànao aho.


Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,


Mpihatsaravelatsihy ny fony; ka efa hivesatra ny valin’izany izy. Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony.


Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;


Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.


Ka ny olona toy izany dia aza mba manampò hahazo zavatra amin’ny Tompo,


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.


Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.


Toy izany koa no ataony amin’ny epistolany rehetra izay ilazany ny amin’izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin’ireny, izay aolan’ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin’ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy.