Jakoba 1:25 - Baiboly Katolika Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io. DIEM PROTESTANTA Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin’izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an’asa, dia ho sambatra izy amin’izay asa tanterahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay fatra-pandinika ny lalàna lavorary, dia ny lalàna mitondra fahafahana, ka maharitra amin’izany ary tsy ho mpihaino manadino fa mpanatanteraka an’asa, dia ho sambatra izy amin’izay asa tanterahiny. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin’ny asany izany olona izany. Malagasy Bible Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany. La Bible en Malgache Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, ny lalànan’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, raha tsy mpihaino manadino fa mankatò izany amin’ny asany, dia ho sambatra amin’ny fampiharana azy io olona io. |
Ny kely saina mino izay teny rehetra ambara aminy; ny olo-malina kosa, mitandrina ny diany.
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»
Rehefa nirava ny fiangonana, dia betsaka ny Jody sy ny prôselita nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Ary nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana, ary tamin’ny famakiana ny mofo, sy ny fivavahana rehetra.
Noho ny fitahian’Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin’ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan’i Môizy sy ny mpaminany rahateo ny hahatanterahany,
Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
satria tsy ny mandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ny mankatò ny lalàna no hohamarinina.
Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray!
fa ny lalàn’ny Fanahin’ny aina no nanafaka ahy tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Diniho ny tenanareo na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; tsapao ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va, fa ao amin’ny tenanareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo?
ary ny anton’izany, dia satria nisy mpino sandoka sasany nampidirina an-tsokosoko sy niditra mangingina, hitsikilo ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy Jesoa mba hanandevozany antsika.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany, fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.
nefa hovonjena ihany izy, noho ny fiterahan-jaza, raha tahiny maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamarinana amam-pahalalana onony.
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Olona afaka ianareo, nefa aoka ny fahafahana tsy hoenti-manarona ny ratsy, fa manaova toy ny mpanompon’Andriamanitra.
Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany, dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.
Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, ka ny asany hanaraka azy.
Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.
Raha matahotra an’i Iaveh ianareo, raha manompo Azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny tenin’i Iaveh ary raha samy manaraka an’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo...