Ny tanànan’i Aroera ilaozana, nafoy ho an’ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.
Isaia 7:25 - Baiboly Katolika Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa tamin’ny antsetra fiavàna tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahin’ny ondry.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny havoana rehetra izay nohavàna tamin’ny angady dia tsy ho sahinao diavina noho ny fahatahorana ny anjavidy sy ny tsilo: Ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany. DIEM PROTESTANTA Ary ny amin’ireo havoana izay novolena tamin’ny lapika dia tsy ho azo aleha intsony noho ny tahotra ny tsilo sy ny songosongo, fa havela ho kijàna fiandrasana omby sy ho tany firaofan’ny ondry aman’osy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny amin’ireo havoana izay novolena tamin’ny lapika dia tsy ho azo aleha intsony noho ny tahotra ny tsilo sy ny songosongo, fa havela ho kijàna fiandrasana omby sy ho tany firaofan’ny ondry aman’osy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin’ny angady Dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan’ny omby Sy ho voahitsakatsiky ny ondry aman-osy izany. Malagasy Bible Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany. La Bible en Malgache Ary ny havoana rehetra izay nohavàna tamin’ny angady dia tsy ho sahinao diavina noho ny fahatahorana ny anjavidy sy ny tsilo: Ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany. |
Ny tanànan’i Aroera ilaozana, nafoy ho an’ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy.
Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin’ny fiandrasana azy, sy olon-kafa handevona ny sahan’ny mpanan-karena efa voasimba.
Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa eny amin’ny lohasaha mideza, sy eny an-tsefatsefa-karambato, any amin’ny hazo madinika milobolobo, mbamin’ny tany fiandrasana biby rehetra.
Zana-tsipìka aman-tsipìka, no hoenti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin’ny tany rehetra.
Satria i Israely efa naditra, toy ny vantotr’ombivavy mitokona; ankehitriny kosa i Iaveh hiandry azy toy ny zanak’ondry eny amin’ny tany lemaka malalaka.
Ny faritanin’ny ranomasina hanjary tany fiandrasana ondry sy zohin’ny mpiandry ondry, ary valan’ondry.