Isaia 7:18 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany, NY TOMPO hisiaka hiantso ny lalitra izay any amin’ny faran’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely izay any amin’ny tany Asiria; DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany ny TOMPO dia hisioka hiantso ny lalitra izay any amin’ny vinany misampana iafaran’ilay onin’i Ejipta; ary hisioka koa Izy hiantso ny renitantely izay any Asiria. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany ny TOMPO dia hisioka hiantso ny lalitra izay any amin’ny vinany misampana iafaran’ilay onin’i Ejipta; ary hisioka koa Izy hiantso ny renitantely izay any Asiria. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin’ny faran’ny onin’i Egypta, Sy ny renitantely, izay any amin’ny tany Asyria; Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria; La Bible en Malgache Amin’izany andro izany, NY TOMPO hisiaka hiantso ny lalitra izay any amin’ny faran’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely izay any amin’ny tany Asiria; |
Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo; nefa maty toy ny afon-tsilo: izaho kosa mandripaka azy amin’ny Anaran’i Iaveh.
Nampanalain’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna nilazany hoe: «Mandehana ianareo manolotra sorona amin’ny Andriamanitrareo eto amin’ity tany ity.»
Dia hoy i Faraôna: «Halefako handeha ihany ianareo, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitrareo, any an’efitra, nefa aza lasan-davitra loatra ianareo amin’izany fandehananareo izany. Ary manaova fivavahana ho ahy.»
Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra.
Loza ho an’ireo izay midina hitady vonjy any Ejipta; miantehitra amin’ny soavaly, ary mitoky amin’ny kalesy, noho ny hamaroan’ireny, sy amin’ny mpitaingin-tsoavaly, noho izy matanjaka; nefa ilay Masin’i Israely tsy mba andrandrainy; ary i Iaveh tsy tadiaviny.
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin’ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà, - dia ny mpanjakan’i Asiria.
Hisiaka eny aoriana azy eny Aho, ka hanangona azy fa efa nanavotra azy; dia hihamaro toy ny efa nihamaroany indray izy.
Kanjo nivoaka hanehatra anareo ny Amôreana izay monina amin’izany tendrombohitra izany, ka notanahiny ianareo toy ny fanaon’ny renitantely sy noreseny tao Seira ka hatrany Hormà.
Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;
Fa na hisy ho afa-mandositra hiery tsy ho hitanao aza, dia handefasan’i Iaveh Andriamanitrao fanenitra hamely azy mandra-paharingany.
Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an’ireny teo anoloanareo, mbamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreana: tsy tamin’ny sabatra aman-tsipìkanareo no nahatanterahan’izany.