Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 7:17 - Baiboly Katolika

I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin’ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà, - dia ny mpanjakan’i Asiria.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

NY TOMPO hahatonga aminao sy ny olonao ary ny fianakavian’ny rainao izay andro tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda. Ny mpanjakan’i Asiria izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa hataon’ny TOMPO tonga aminao sy ny vahoakanao ary ny taranakao ny toe-javatra izay tsy mbola nisy hatramin’ny andro nisarahan’i Joda tamin’ny fanjakan’i Israely ka hatramin’izao, dia ny hanafihan’ny mpanjakan’i Asiria izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa hataon’ny TOMPO tonga aminao sy ny vahoakanao ary ny taranakao ny toe-javatra izay tsy mbola nisy hatramin’ny andro nisarahan’i Joda tamin’ny fanjakan’i Israely ka hatramin’izao, dia ny hanafihan’ny mpanjakan’i Asiria izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Jehovah hahatonga aminao Sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda (Dia ny mpanjakan’i Asyria).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

NY TOMPO hahatonga aminao sy ny olonao ary ny fianakavian’ny rainao izay andro tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro nialan’i Efraima tamin’ny Joda. Ny mpanjakan’i Asiria izany.

Jereo ny toko



Isaia 7:17
12 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hamely azy ireo ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asiria, nosamborin’ireo i Manase tamin’ny masom-by, nogiazany tamin’ny gadra varahina roa, dia nentiny nankany Babilôna.


«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria, ka mandrak’izao anio izao.


Tsy hitanao va ny lazain’ity vahoaka ity ataony hoe: «Efa narian’i Iaveh ny fianakaviana roa nofidiny!» Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza izy eo anatrehan’izy ireo.