Reraka ambony ihany ny zanak’olon-kafa firenena, ka mivoaka amin-kovitra avy ao amin’ny trano mimandany.
Isaia 64:6 - Baiboly Katolika Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy misy olona miantso ny anaranao na mifoha hifikitra Aminao. Fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao ka nandevona anay noho ny helokay. DIEM PROTESTANTA Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nandà ny hijery anay Ianao ary namela anay handevozin’ny helokay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nandà ny hijery anay Ianao ary namela anay handevozin’ny helokay. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy misy miantso ny anaranao, Na mifoha hifikitra aminao; Fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao Ka nandevona anay noho ny helokay. Malagasy Bible Tsy misy miantso ny anaranao, na mifoha hifikitra aminao; fa efa nanafina ny tavanao taminay Hianao ka nandevona anay noho ny helokay. La Bible en Malgache Tsy misy olona miantso ny anaranao na mifoha hifikitra Aminao. Fa efa nanafina ny tavanao taminay Ianao ka nandevona anay noho ny helokay. |
Reraka ambony ihany ny zanak’olon-kafa firenena, ka mivoaka amin-kovitra avy ao amin’ny trano mimandany.
Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra? Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?
Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy? Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina; tsy miantso an’i Iaveh izy ireo.
Fa ny mpikomy ama-mpanota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an’i Iaveh, dia ho faty.
Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina ianareo, ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano.
Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely.
Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.
Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»
Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.
Namihina azy tamin’ny elany ny rivotra, ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony.
Mahamay hoatra ny fatana avokoa izy rehetra, ka ny mpitsara azy no levoniny. Ny mpanjakany lavo avokoa, tsy nisy niantso Ahy anefa izy rehetra.
Raha niely amin’ny hodiny anefa ny habokana, ka manenika ny hoditr’ilay marary, hatrany amin’ny lohany ka hatrany amin’ny tongony, araka izay rehetra hitan’ny mason’ny mpisorona, dia hozahan’ny mpisorona izy;
Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara,
mba ho hita ao aminy aho, tsy amin’ny fahamarinan’ny tenako, na ilay avy amin’ny Lalàna, fa amin’ilay avy amin’ny finoana an’i Kristy, dia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana;
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Tamin’izay, ny iray tamin’ireo Anti-dahy nanao tamiko hoe: «Iza moa ireo miakanjo fotsy, ary avy aiza no niaviany?»