Isaia 59:11 - Baiboly Katolika Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany! DIEM PROTESTANTA Mierona sahala amin’ny orsa isika rehetra na mitolokoloko tahaka ny voromahailala. Nanantena ny rariny isika, nefa tsy nisy; niandrandra famonjena, nefa lavitra antsika izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mierona sahala amin’ny orsa isika rehetra na mitolokoloko tahaka ny voromahailala. Nanantena ny rariny isika, nefa tsy nisy; niandrandra famonjena, nefa lavitra antsika izany. Baiboly Protestanta Malagasy Isika rehetra mampierona tahaka ny bera Ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; Miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, Ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany. Malagasy Bible Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany. La Bible en Malgache Mierona tahaka ny bera isika rehetra ary mitoloko tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika nefa tsy misy, ary miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany! |
Te hihaino izay holazain’i Iaveh Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an’ny vahoakany sy ny mpino Azy Izy, raha tahiny tsy miverina amin’ny fahadalany indray izy ireo. -
Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromahailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:
Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka eny an-joron-dalana rehetra eny, mova tsy ny antilôpa voan’ny fandrika harato, jenjin’ny hatezeran’i Iaveh sy ny fandrahonan’ny Andriamanitrao.
Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:
Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany; fa lala-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.
Noho izany, nanalavitra antsika ny fitsarana marina, ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana. Miandry ny mazava isika, kanjo ny haizina no indro eo; miandry ny fahazavan’ny andro, kanjo mandeha amin’ny maizina ihany.
Nanantena fiadanana isika, nefa tsy mahita soa kely akory; sy andro fanaretana, kanjo fampitahorana no mitranga!
Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.
Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo, dia hirenireny eny an-tendrombohitra, toa voromahailala an-dohasaha, samy hitoloko noho ny helony avokoa.
Tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, raha ilay midradradradra foana eo am-pandriany iny. Misahirana fatratra izy ny amin’ny vary aman-divay vaovao, nefa Izaho iambohoany.
Efa tanteraka izao, dia nampitanjahiny, lasan-ko babo izy io, ka mitoloko ny mpanompovaviny toy ny fitolokon’ny voromahailala; mandondon-tratra izy ireo.