Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!
Isaia 57:7 - Baiboly Katolika Nanorina ny fandrianao, tany an-tendrombohitra avo sy manerinerina ianao! Dia niakatra tany ianao hanao sorona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandriananao ka teny no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. DIEM PROTESTANTA Teny an-tendrombohitra avo manerinerina no nametrahanao ny fandrianao; teny koa no niakaranao hanolotra sorona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teny an-tendrombohitra avo manerinerina no nametrahanao ny fandrianao; teny koa no niakaranao hanolotra sorona. Baiboly Protestanta Malagasy Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, Ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. Malagasy Bible Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. La Bible en Malgache Teo an-tampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandriananao ka teny no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra. |
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga!
ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo, hoy i Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin’ny fitondran-tena nataony.
Fa hatramin’ny ela no efa nanapahanao ny jioganao, sy nanitosanao ny fatoranao, ka nanaovanao hoe: ‹Tsy hanompo intsony aho!› Teny amin’ny havoana manerinerina rehetra, sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra teny, no nandrianao hoatra ny vehivavy janga.
Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao? Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an’efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;
Izao no lazain’i Iaveh tamiko, tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka: «Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina? Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy, sy teny ambany hazo maitso rehetra teny ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»
Nangalanao ny fitafianao, ka nanaovanao fitoerana avo samihafa soratra ho anao, dia nijangajanga teo amboniny ianao: tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy na oviana na oviana intsony.
Nasianao ny fitoerana avonao avokoa ny sampanan-dalana; nolotoinao ny hatsaran-tarehinao; nanolo-tena tamin’ny mpandalo rehetra ianao; nampitomboinao ny fijangajanganao.
Ary tonga tao aminy, tao amin’ny fandriam-pitiavany ireo zanaka lahin’i Babilôna, ka nandoto azy tamin’ny fijangajangany, ary izy nandoto tena tamin’izy ireo: dia nadikidiky tamin’ireny indray ny fanahiny.
Nipetraka teo ambony farafara be renty ianao, ary teo anoloany dia nanamboarana latabatra, ka nametrahana ny emboka manitra aman-diloiloko.
Dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho; rehefa hiampatrampatra eny afovoan’ny sampiny ny maty amin’izy ireo manodidina ny ôteliny, eny amin’ny havoana avo rehetra, eny antampon-tendrombohitra rehetra; eny ambanin’ny hazo maitso rehetra, eny ambanin’ny oaka be ravina rehetra, amin’ny fitoerana nanaterany emboka manitra mahafinaritra tamin’ny sampiny rehetra.