Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»
Isaia 57:12 - Baiboly Katolika Izaho no hanambara ny fahamarinanao, ary ny asanao izay tsy mahasoa anao akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izaho no hanambara ny fahamarinanao; ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. DIEM PROTESTANTA Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny. Baiboly Protestanta Malagasy Izaho no hanambara ny fahamarinanao; Ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. Malagasy Bible Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. La Bible en Malgache Izaho no hanambara ny fahamarinanao; ary ny asanao dia tsy hahasoa anao. |
Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»
Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.
ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo, hoy i Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin’ny fitondran-tena nataony.
Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo! Tonga ny fotoana hamoriana ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra. Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,
Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.